Matthew 21

1Raha nanantona an’i Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ka nankao Betifaga, any an-tendrombohitr’i Oliva, dia nandefa mpianatra anankiroa Jesosy, 2nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mandehana ao amin’izay vohitra manaraka ao, fa eo no eo ianareo dia hahita boriky mifatotra ary zana-boriky iray miaraka aminy. Vahao izy ireo ary hoento aty amiko. 3Raha misy miteny anareo momba izany, dia lazao hoe: ‘Misy ilan’ny Tompo azy ireo,’ ary eo no eo izany olona izany dia handefa azy ireo miaraka aminareo.”

4Ary nitranga izany mba hahatanteraka izay nambara tamin’ny alalan’ny mpaminany. Hoy Izy hoe: 5“Ilazao ny zanaka vavin’i Ziona hoe: ‘Indro, ny Mpanjakanao manatona anao, Manetry tena ary mitaingina boriky- zana-boriky lahy.”’

6Avy teo dia lasa ireo mpianatra ary nanao arak’izay nandidian’i Jesosy azy ireo. 7Noentin’izy ireo ilay ampondra sy ilay zana-boriky ary nametraka ny lamban’izy ireo teo aminy, ka nipetraka teo amin’ilay lamba Jesosy. 8Ny ankabeazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany tamin’ny tany, ary ireo hafa nanapaka sampan-kazo ary nanaparitaka izany tamin’ny lalana.

9Avy eo ireo vahoaka nialoha an’i Jesosy sy ireo izay nanaraka azy nitabataba hoe: “Hosana ho an’ny zanak’i Davida! Isaorana ilay tonga avy amin’ny anaran’ny Tompo! Hosana any amin’ny avo indrindra!” 10Rehefa niditra tao Jerosalema Jesosy, dia nihiaka ny iray tanàna ka nanao hoe: “Iza moa io?” 11Ny vahoaka namaly hoe:”Izy no Jesosy ilay mpaminany avy any Nazareta any Galilia.”

12Avy eo niditra tao an-tempoly Jesosy. Noroahiny avokoa ireo mpividy sy mpivarotra tao an-tempoly, ary navadiny ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ireo mpivarotra voromailala. 13Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Efa voasoratra hoe: ‘Ny tranoko dia ho antsoina hoe trano fivavahana,’ kanefa ataonareo zohy fieren’ny jiolahy.” 14Nony avy teo dia nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao an-tempoly, ka nositraniny izy ireo.

15Fa nony nahita ny zava-mahagaga nataony ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary rehefa ren’izy ireo ny zaza madinika nitabataba tao an-tempoly hoe: “Hosana ho an’ny zanak’i Davida,” dia tezitra mafy izy ireo. 16Hoy izy ireo taminy hoe: “Renareo va izany lazain’ireo olona ireo?” Namaly azy ireo Jesosy hoe: “Eny! Fa tsy mbola novakianareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no nandavorarianareo ny fiderana?” 17Avy eo nandao azy ireo Jesosy ka nandeha tany amin’ny tanànan’i Betania ary nitoetra tao ny alina.

18Ary nony maraina raha niverina tany an-tanàna Izy, dia noana. 19Nahita azon’aviavy teny an-tsisin-dalana, dia nanatona teny Izy ary tsy nahita na inona na inona teo afa-tsy ny raviny. Hoy Izy taminy hoe: “Aoka tsy hisy voa intsony avy aminao mandrakizay,” ary niaraka tamin’izay dia maina ilay aviavy.

20Rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia gaga izy ireo ary niteny hoe: “Ahoana no nahamaina avy hatrany ity aviavy ity?” 21Namaly Jesosy ary nilaza azy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, raha manam-pinoana sy tsy misy fisalasalana ianareo, dia tsy izay natao tamin’io aviavy io ihany no hataonareo, fa na dia hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza hoe: ‘miongota ary mianjerà any an-dranomasina’, dia ho atao izany. 22Na inona na inona angatahinareo am-bavaka, am-pinoana, dia ho azonareo.”

23Nony niditra tao an-tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lehiben’ny mpisorona sy ny zokiolona raha nampianatra Izy ary niteny hoe: “Fahefana avy aiza moa no anaovanao ireny zavatra ireny, ary iza no nanome anao izany fahefana izany?” 24Namaly Jesosy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Hametrahako fanontaniana iray ihany koa ianareo. Raha lazainareo amiko, dia ho lazaiko aminareo ny fahefana anaovako ireny zavatra ireny.

25Ny batisan’i Jaona - avy taiza no niaviany? Avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olombelona?” Niady hevitra izy ireo, nanao hoe: “Raha miteny isika hoe, ‘Avy tany an-danitra,’ Izy hiteny amintsika hoe: ‘Fa nahoana izany ianareo no tsy nino azy?’ 26Fa raha miteny isika hoe: ‘Avy tamin’ny olombelona’, mataotra ny vahoaka isika, satria izy rehetra dia mihevitra an’i Jaona tahaka ny mpaminany”. Ka namaly an’i Jesosy izy ireo ka niteny hoe: “Tsy fantatray.” 27Ary hoy ihany koa Izy tamin’izy ireo hoe: “Izaho ihany koa dia tsy hilaza aminareo hoe avy aiza ny fahefana anaovako ireny zavatra ireny.

28Fa ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy iray nanana zanaka lahy roa. Nandeha nankany amin’ilay voalohany izy ary nanao hoe: ‘Anaka, mandehàna miasa any amin’ny tanim-boaloboka androany.’ 29Ilay zanany lahy namaly azy hoe: “Tsy ho any aho,” fa avy eo niova hevitra izy dia lasa. 30Avy eo dia nankany amin’ilay faharoa izy ary niteny tahaka izany ihany koa. Namaly izy ka niteny hoe: “Ho any aho, tompoko,’ nefa tsy nankany izy.

31Iza tamin’ireo zanany roa ireo no nanao ny sitrapon’ny rainy?” Ary hoy izy ireo hoe: “Ilay voalohany.” Jesosy niteny azy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, ireo mpamory hetra sy ireo mpivaro-tena dia hiditra ny Fanjakan’ny Andriamanitra alohanareo. 32Fa Jaona nanatona anareo tamin’ny fahamarinana, fa tsy nino azy ianareo. Fa ireo mpamory hetra sy mpivaro-tena nino azy. Fa ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy nibebaka sy tsy nino azy.

33Henoy ity fanoharana iray hafa ity. Nisy lehilahy iray, tompona tany. Nanao tanim-boaloboka izy, nofefeny izany, nandavahany famiazana tao anatiny, nananganany tilikambo, ary nampanofainy tamin’ireo mpamboly voaloboka. Avy teo dia nankany amin’ny tanàna hafa izy. 34Nony nanakaiky ny taom-pahavokarana, dia naniraka ny sasany tamin’ireo mpanompo izy ho any amin’ireo mpamboly voaloboka haka ny vokatrany.

35Fa nosamborin’ireo mpamboly voaloboka ireo mpanompony, nokapohiny ny anankiray, novonoiny ny hafa, dia mbola notorahana vato ny hafa. 36Ary mbola, nandefa mpanompony hafa indray ilay tompon-tany, maro noho ny tamin’ny voalohany, fa nataon’izy ireo toy izany ihany koa. 37Taorian’izany, dia naniraka ny zanany lahitokana tany amin’ireo ny tompon-tany, nilaza hoe: ‘Hanaja ny zanako izy ireo.’

38Fa rehefa nahita ilay zanaka lahy ireo mpamboly voaloboka, dia nifampiresaka izy ireo hoe: ‘Ity no mpandova. Andeha, ho vonointsika izy ary ho alaintsika ny lova.’ 39Noho izany dia nosamborin’izy ireo izy, natsipy tao anatin’ny tanim-boaloboka ary novoina.

40Ary rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, inona no ho ataony amin’ireo mpamboly voaloboka?”. 41Hoy izy ireo taminy hoe: “Ho ringaniny amin’izay fomba mafy indrindra ireo olon-doza, ary avy eo hampanofainy amin’ireo mpamboly voaloboka hafa ny tanin-boaloboka, olona hanome azy ny anjara voliny amin’ny fotoam-pahavokarana.”

42Jesosy niteny tamin’izy ireo hoe: “Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy va ianareo hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanori-trano no natao vato fehizoro. Avy tamin’ny Tompo izany, ary mahatalanjona eo imasontsika’?

43Noho izany lazaiko aminareo, hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ary hatolotra ny firenena izay mamokatra ireo voany. 44Na iza na iza ho lavon’io vato io dia ho potipotika. Fa izay hianjerany kosa dia ho torotoro.”

45Rehefa nandre ireo fanoharany ireo ny lehiben’ny mpisorona sy ireo Fariseo, dia azon’izy ireo fa mahakasika azy ireo no noresahany. Nikasa ny hisambotra Azy, saingy natahotra ny vahoaka izy ireo, satria nataon’ny olona ho mpaminany Izy.

46

Copyright information for PltULB